Dakar

Avy amin'i Wikipedia

14°41′50″N 17°26′41″W / 14.69711°N 17.44467°W / 14.69711; -17.44467

Dakar
Velarantany 82,38 km2
Isam-ponina 1 030 594 mponina
Tanànan-dehibe NC
Ben'ny tanàna Khalifa Sall (2009)[1]
Firenena Senegala
Faritany NC
Faritra NC

I Dakar dia renivohitr' i Senegaly sy ny Faritra Dakar. Amin' ny teny vôlôfo izy dia atao hoe Ndakaaru. Misy mponina 1 056 009 amin' ny 3 630 000 (tombana tamin' ny taona 2018) ao amin' ny Faritra Dakar manontolo ny ao. Anisan' ny kaominina efatra ara-tantara ao Senegaly sady renivohitr' i Afrique-Occidentale française (AOF) izy tamin' ny taona 1902 ka hatramin' ny 1960.

Noho ny fifindra-monina avy any ambanivohitra sy noho ny fitomboana voajanahary, ny Faritra Dakar dia nivoatra haingana. Noho izany dia nitombo avy amin' ny 400 000 tamin' ny taona 1970 nankamin' ny 3,6 tapitrisa tamin' ny taona 2018 ny mponina, fitomboana efa ho 5 % isan-taona izany. Ao aminy no monina ny antsasaky ny mponina an-tanàn-dehibe ao amin' ilay firenena.

Ny toerana misy azy any amin' ny farany andrefana amin' i Afrika, eo amin' ny Saikanosin' i Cap Vert, dia manamora ny fiorenam-ponenanan' ny voanjo voalohany sy ny raharaham-barotra niarahany amin' ny Tontolo Vaovao, ary nanome azy toerana manan-tombony eo amin' ny fihaonan' ny kolontsaina afrikana sy eorôpeana. Mpikarakara ny Festival mondial des Arts nègres (Fetiben' ny Zavakanto Negra) eran-tany voalohany araa ny fanirian' ny filoha Léopold Sédar Senghor tamin' ny taona 1966, io tanàna io no foiben' ny Institut fondamental d'Afrique noire (IFAN) sy ny Banque centrale des États de l'Afrique de l'Ouest (BCEAO).

Mameno ny 0,28 % monja amin' ny tanim-pirenena ny Faritra Dakar izay mandrakotra 550 km2, ary onenan' ny 25 % amin' ny mponina sady miantoka ny 80 % amin' ny asa ara-toekarena ao amin' ilay firenena.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

  1. L'opposant Khalifa Sall élu maire de Dakar. AFP. 2009-04-19