(Go: >> BACK << -|- >> HOME <<)

Aller au contenu

Sôgdianôsy

Avy amin'i Wikipedia
Endrika tamin'ny 29 Desambra 2019 à 12:16 nataon'i Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara) (Mpanjaka akemenida)
(fampitahana) ← Endrika tranainy kokoa | Endrika farany indrindra (fampitahana) | Endrika vaovao kokoa → (fampitahana)

I Sôgdianosy dia mpanjakan'i Persia akemenida nandritra ny enim-bolana sy sasany na fito volana (arakaraka ny loharanon-tantara) tamin'ny taona 424 tal. J.K. Atao hoe Sogdyậna izy amin'ny teny persiana. Zanak'i Artakserksesy I sy i Alogina na Alogona, izay tsy vadin'ny mpanjaka, izy. Nanambady ny anabavy tsy iray reny aminy izy, dia i Parisatisy, zanak'i Artakserksesy I sy i Andia avy any Babilôna.

Rehefa avy namono ny mpanjaka Kserksesy II, izay rahalahy tsy iray reny aminy izy tamin'ny taona 424 tal. J.K. dia niakatra teo amin'ny fitondrana. Tsy naharitra izany fahombiazany izany. Tonga koa ny rahalahiny tsy iray reny aminy, izay solontena-mpanjaka (satrapa) tany Hirkania, atao hoe Ôkôsy, ka nikomy taminy niaraka tamin'ny miaramila babiloniana. Nitolo-batana i Sôgdianosy tamin'ny farany. Nampamonoina an'i Arbariosy, komandin'ny tafika mpitaingin-tsoavaly, i Sôgdianosy ka maty tamin'ny taona 424 tal. J.K. Tonga mpanjaka i Ôkôsy ka nitondra ny anarana hoe Dariosy II na Dariosa II.

Jereo koa